Tongasoa ato amin'ny Fikambanana Nazarena Madagascar

 

 

____________________________________

Fikambanana Nazarena-Madagascar....

Miarhaba anareo tonga manokatra sy mamaky ity pejy ity izahay mpikambanana Nazarena-Madagascar !
Ny fikambanana Nazarena niforina aoamin'ny tanàna kely antsoina hoe Aboalimena, kaomine iray ao anatinini distrakan'Belo/Tsiribihina, faritry ny Menabe.

...tamin'y fandrosoana

Noho ny zava-misy iainan’olona amin’io tanana io ( fomba faharazana sy toe tsaina nentim-paharazana) dia tena sarotra ny fampidirina zava-baovao amin’ ny fomba fijery vaovao, ka voatery misy mosary isan-taona manjo an’io tanana io.
Tapakavitra ary Andriamatoa Haidaraly ka nanangana fikambana na antsoina hoe « nazarena » (izay hevitra nalaina avy amin’ny Nazareta izay tany tsy nampoizina fa nipoirany ny mazava)
Io fikambanana io no fitaovana ho entin ’i Haidaraly hampianatra ny olona ( 98 % tsy mahay mamaky teny sy tsy mahay manoratra) amin’ny alalany asa izay ataony, ho entiny mandresy lahatra ny olona. Ny fiompiana gana no asa voalohany natao tamin’izany mba hisiany fampidiram-bola fanampiny fa tsy ny voakatra vary sy katsaka izay fototsakafo no hamidy hahazoana ny zavatra ilaina andavanandro (siramamy, café..). Fomba anakiray hitany mpanorina ny fikambanana fa mety hampihena ny mosary izay iainan’olona isan’taona ny fiompiana gana amin’ny alalan’ny fivarotana ny atodiny. Tamin ny taona 2003 dia niara-niasa tamin’i mpikarokay ao a IRD i Haidaraly, nanampy an’io Ramatoa Suzanne Chazan io tamin’ny fikarohana izay nataony. Maro ny zavatra hita sy tsapa ary azo bangoina hoe « Sahirana ny momban’ny fivelomany olona amin iny faritra iny ».
Tamin ny taona 2004, niasa tany Morondava izahay ary tratrany cyclone Gafilo sy Elita tany ary mahita ny faharavana nisy tamin izany fotoana izany dia tapakevitra i Suzanne fa hanao izay azony atao entina hanampiana ny olona rava trano. Teraka teo ny hevitra hanagana fikambanana mirahavay ka antsoina hoe « Nazarena » .
Tamin ny 2005 dia nanao sahan’asa mba hiadiana amin’ny fiakaran’ny vidim-bary i Nazarena, ka nizara vary mba hamidy amin’ny vidiny farany ambany any amin’ny fokontany manodidina kanjo tsy niverina ny vola araka ny zava-misy iainana amin’ny tany an-dalam-pandrosoana..
2006, dia nampidirina indray ny fambolena anana (traka) isan-karazany nefa noho ny antony voalaza testy ambony dia tsy dia nahitam-bokatra izany. Tapaka ary ny hevitra fa raha tiana hisy marina ny fampandrosoana dia tsy maintsy miditra amin’ny fampiofanana an’ireo tanora ara-kasa mba hisian’ny fomba fijery vaovao-hialana amin’ny fomba fijery mahazatra satria 98% isan-jato ny mponina dia mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ary hialana amin’ny mosary izay miverimberina isan-taona ; dia toerana fampiofanana sy fambolena no ajoro. Koa dia nanangana ny trano hanaovana izany Nazarena-Madagascar amin’ny alalan’ny fanampiana manomboka 2007 nentin ny fikambanana hahavavy Nazarena-France.
Nanao fampiofanana arak’asa momba ny zaitra koa ny fikambanana Nazarena-Madagascar tamin’ny taona 2008 . Noheverina fa rehefa mahavita ny fiofanany ireo vehivavy dia avondrona ao anatina koperativa, kanjo ts’ izany ny zava-nisy fa samy nanjaitra any an-tranony izay mahazo fiofanana.
Taona 2012-2013 nosokafana ny toeram-fiofana fiompiana sy fanambolena rehefa nahazo alalana avy amin ny ministera teknika sy fampiofanana ara-kasa ary misy mpianatra roapolo noaraisina tamin’izany.
Taom-pianarana 2013-2014 dia voatery nakatona ny toeram-pianarana satria henjana loatra ny tsifandriam- pahalemana tamin’ iny faritra iny, mba azahoana miantoka ny ain’ ireo mpianatra satria manao fanazarana any ambaibo sy eny ankatsaka izy ireo.
Taona-pianarana 2014-2015, satria efa manamboka mihamangatsiaka ny halatr’omby dia handray mpinanatra , avy any faritry komina hafa ny sekoly, ka ny taom-pianarana arahina dia ny taom-pianarana-panjakana !
Sarotra sady makadery ny andraikitra saingy raha te ho tonga amin’ny tanjona kendrena dia tsy maintsy mahay miaritra sy maharitra satria betsaka ny zavatra mifamahofaho eny an-dalana fa ny zava-dehibe dia ny fananana namana izarana ny zava-misy mba hisian’ny fanoloram-kevitra sy fanomezan-tanana ary fanampiana asa-bola entina hanatantera ny soa ho an’ny olona rehetra araka izay ilany fiaraha-monima dia ny azahoan’ ny rehetra mandroso, mandray anjara amin’ny fampandrosoana.
Izany indrindra ny antony nanoratana ity pejy ity ho anao mba hametrahanao anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’ Aboalimena toerana tsy misy jiro, tsy misy telefonina fa kosa misy vahoaka mba te-handroso hiady amin’ny mosary-amin’ny fahantrana . Koa ento ary ny fanampianao amin’ny alalan’ny fanomezan-kevitra, amin ny alalan’ ny fanohanana ara bola sy fitaovana hitanaiofa mety hahatanterahana ny tanjona.

Misaotra Tompoko

Ny Filoha , Dera Haidaraly

 

Représentation de l'Organisation Non gouvernementale Nazarena-France à Madagascar ayant son siège social à Aboalimena, District de Belo/Tsiribihina enregistrée sous:n°002/REGF/MBE/ONG en date du 31 mai 2013

 


Toeram Piofanana Ara-Kasa Fiompina sy Fambolena Aboalimena

 

 

HAIDARALY Dera, Filoha, Jiolay 2009

(photo J.B. Chazan©)

FANDRAISANA MPIANATRA !

zatovolahy sy zatovovavy

taom pianarana 2020-2021 !

 

 

Nazarena -Madagascar, Commune Rurale d'Aboalimena, B.P. n°21, Belo/Tsiribihina, tel 34 11 730 66

Conception graphique : Patrick Diéudonné